Fantatr'Andriamanitra

AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana

Fantatr’Andriamanitra


Ny alintsika, dimbiasan’ny mazava.
Tsy misy fahoriana, na sento tsy hisava.
Ny fo mitritra, mahatsiaro fa mijaly.
Ka sento tsy ho ritra, no mifamalivaly.


Dia, misarangotra mitady.
Zay mba azo isarangotana.
Mivala-ketraka mandady.
Miandrandra fanavotana.


Todiho ny Ray, ingao ny tonombavakao.
Omeo mba ho fafany, ny ranomaso sy talaho.
Ny fo tomany, miantsoantso ombieny.
Dia fantatry ny Tompo, tsy misy izay tsy reny.


Fa fantatry ny Ray daholo,
Ny hetaheta izay misandratra.
Vaninandro mifanolo.
Indray nataony hahasambatra.


Impiry impiry moa.
No tojo fanjombonana.
Kanefa tsy nafoin’ny Ray, tafiany fiononana.
Hanao ahoana moa, raha toa ny Tompo no mandao.
Moa hisy hiangana tety.
Izao rehetra hita izao.


Fa fantatry ny Ray…


·