FANOTRONANY

Joseph d'Af

FANOTRONANY


Isaky ny mihaona amin’Andriamanitra aho
Dia mahatsiaro anao anaty tonom-bavaka
Mientana ny fo ahita anao hisandratra
Ahita anao hifoha, ahita anao hiakatra


Ho hita eny aminao raha mandeha an-dalana
Ny anaran’i Jesosy no indro tazana
Dia hampamirapiratra ny tavany aminao
Ka n’aiza n’aiza aleha, fikasana atao


Ka mirary anao ho tahian’Andriamanitra
Tononiko aminao ny fahatsaran’ny lanitra
Ny fanotronany no hanotrona anao
Ka ny heriny ho herinao


Anananao ny fo hoe zanak’Andriamanitra
Sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra
Ny voninahiny hamirapiratra aminao
Ny fanotronany hanaraka anao


(Ka mirary anao ho tahian’Andriamanitra
Tononiko aminao ny fahatsaran’ny lanitra
Ny fanotronany no hanotrona anao
Ka ny heriny ho herinao) x2


Ohhhhh
(Ka mirary anao ho tahian’Andriamanitra
Tononiko aminao ny fahatsaran’ny lanitra
Ny fanotronany no hanotrona anao
Ka ny heriny ho herinao) x2


Ny fanotronany no hanotrona anao
Ka ny heriny ho herinao


·