Fanomezana

Rolly (ORO)

Fanomezana


Atolotro anao


Ity hira tsotra ity


Handry fotsy angamba ianao
Raha misy olana ho anao
Koa tafandria-mandry
Ary ny mazotoa homana


Tsy irery akory ianao sanatria
Mbola misy koa ny miady
Mahereza, mihirĂ , mifalia
Tsy ho folaka an’ady


Atolotro ho anao
Zazavavy rera-tsaina
Tsy manan-ko lazaina
Ity hira tsotra ity


Ilay kapa tapaka tohizo
Ilay zipo rovitra sosohy
Mandehana mba dihizo
Ilay takarivantsika roa


Tsy irery akory ianao sanatria
Mbola misy koa ny miady
Mahereza mihira mifalia
Tsy ho folaka an’ady


Atolotro ho anao
Tsy manam-bariraiventy
Mosarena andro fety
Ity hira tsotra ity


Te handihy angamba ianao
Na hivoaka fa tsy sahy
Mandehana mba mizaha
Ireo korana mampivaha


Mbola maromaro ihany isika aty
No tsy manana andro tsara
Fa mbola misy koa ny fitia
Niarahana nizara


·