Fanoloran-tena

Groupe Lalao

Fanoloran-tena




  1. Jesô ô ry Zokiko malala ô,
    Fantatro ny fitiavanao ahy.
    Na dia ratsy sy mpanota aza
    Dia nalatsakao ny ranao ho ahy.
    Jesô ô, ankehitriny izao
    Indro aho manatona Anao,
    Ô mba raisonao Mpamonjy tia
    Vonona hanao izay sitrakao.




  2. Eo anaty ranon’ny batisa,
    Indro efa hirosoako izao,
    Mariky ny fanoloran-tena
    Lalana izay efa nandehananao
    Ho voalatsa, na hoesoina aza
    Tsy ahoako izany Tompo ô
    Ô mba raiso aho Jesô malala ô
    Fa maniry hanara-dia Anao.




  3. Ireo didy folo izay nomena
    Masina filamatra tokoa.
    Hotandremako amim-pahendrena
    Ho voarakitra, hitoetra ao am-po
    Ilay Andronao tsy azo afindra
    ‘Lay Sabata nitsaharanao
    No hasandratro Ambony indrindra
    Mba ho fantatr’izao tontolo izao.




A/C : AMS


·