Faniriko

Vlm Ampitatafika

Faniriko


1- Iriko Tompo o , ny tokantrano hitoeranao
Ireo ankohonako hanompo Anao
Ny fitiavanao, hamiratra hanjaka ao


Hiaina sambatra,
Ho eo ambany fitantananao
hianoka eo an-tratranao Ry Ray
Hiaraka Aminao , ka ho Anao mandrakizay


Ref: Ray aman-dreny, ry zoky , zandriko
Mba tsy hisy ho very fa Anao avokoa
Ho tokantrano ho sambatra ery
Finaritra ary koa mifankatia


  Ho heniky ny voninahitrao 
Mandeha mizotra amin'ny lalanao
Fianakaviana ho tena mpankato
Finaritra, hilamina tokoa

2-Jesosy Malala o
Hapetrakay an-tananao izao
Ireo tokantrano lavitra Anao
Ry Tompo mamonje
Henoy ka mba valio re


Ref: Ray aman-dreny, ry zoky , zandriko
Mba tsy hisy ho very fa Anao avokoa
Ho tokantrano ho sambatra ery
Finaritra ary koa mifankatia


  Ho heniky ny voninahitrao 
Mandeha mizotra amin'ny lalanao
Fianakaviana ho tena mpankato
Finaritra, hilamina tokoa

·