FANIRIANA ATO AM-POKO

SLK Miantsa ATV

FANIRIANA ATO AM-POKO


1- Faniriana ato am-poko
Holazaino aminao
Miangavy re ry Tompo
Mba henoy ty zanakao
Tsy inona no tiako ambara
Sy mba angatahako
Fa i Madagasikara
Ilay tanindrazako


2- Zahay samy malagasy
Nefa samihafa loha
Fa miady mifandrafy
Mahamenatra tokoa


Fa ilay fitiavatena
No mibahana ao an-doha
Lay fitia sy fahendrena
Atakalo tombotsoa


Réf:
Tompo malala o jereo zahay
Ianao mahalala ny momba anay
Tompo tsara o ,avia vonjeo zahay


Ny soa sy ny tsara omeo anay
Lahatra sy anjara tsy lavinay
Saotra haja ho Anao mpanjakanay


3- Efa mila tsy ho zaka
Maro be ny olana
I satana no manjaka
Sy manakorotana


Ity nosinay tohano
Mba handroso re ry Ray
Ny vahoakanao tazano
Ampianaro hifandray


Zahay samy malagasy
Nefa samy hafa loga
Fa miady mifandrafy
Mahamenatra tokoa


Fa ilay fitiavantena
No mibahana ao an-doha
Lay fitia sy fahendrena
Atakalo tombotsoa


Réf:
Tompo malala o……


A/C RANDRIAMAROMAHEFARISON Gabriel
===Slk miantsa ATV . 2023===


·