Faniriako Jeso

Riampeon' Ny Maritiora

Faniriako Jeso


Faniriako Jeso, ny eo anilanao
fa efa nomenao ahy ny teny tsara
‘Zay manoro ahy amin’ny lalan-tsara
ka ampio aho mba hanao ny sitrakao


Faniriako Jeso, ny eo anilanao
fa efa nomenao ahy ny teny tsara
‘Zay manoro ahy amin’ny lalan-tsara
ka ampio aho mba hanao ny sitrakao



  1. Tsy mba fitiavana harena, an-kosobolamena
    no tiako izay omena
    fa zavatra iray no faniriako
    dia fo madio no tiako hananako hatrizay


Satria izany no hatsapako
fa mamy ny Aminao Ry Tompo
‘zay feno ny fihantrana be koa
mitsinjo ny olona ‘zay reraka am-po


Ianao no lalana mankany hananako izany
dia ’lay haren-tsy lany
dia ny fo madio ‘zay tsisy loto
fa feno fahendrena sy tia famonjena


Faniriako Jeso, ny eo anilanao
fa efa nomenao ahy ny teny tsara
‘Zay manoro ahy amin’ny lalan-tsara
ka ampio aho mba hanao ny sitrakao


Faniriako Jeso, ny eo anilanao
fa efa nomenao ahy ny teny tsara
‘Zay manoro ahy amin’ny lalan-tsara
ka ampio aho mba hanao ny sitrakao


2.Ianao Jehovah Tomponay o, no andry hitokiko
hizorako hifaliako
ka tsy hanahy na hatahotr’aho Ry Tompo
fa vonona hanompo handray Ny Teninao.


Ianao Jeso no harambato
ka foiko ho Anao ny fiainako
omeko Anao izato foko
ka raiso sy hanjakao Ry be indrafo


Ianao no fantatro fa mety
hizorako manketsy
dia ’lay kanana iray
‘zay feno harena tsy mba lany
mipololotra hatrany ho ahy mandrakizay.


Ianao Jeso no harambato
ka foiko ho Anao ny fiainako
omeko Anao izato foko
ka raiso sy hanjakao Ry be indrafo


Ianao no fantatro fa mety
hizorako manketsy
dia ’lay kanana iray
‘zay feno harena tsy mba lany
mipololotra hatrany ho ahy mandrakizay.


·