Faniriako

Tarika Vonjy

Faniriako




  1. Ny fanatrehanao
    Ny fiandriananao
    No faniriako
    Miloatra avy ao am-po
    Ny voninahitrao
    Mamirapiratra
    Misarika ahy haniry fatratra
    Hihaona Aminao




  2. Ka ny fanahiko
    Mangetaheta Anao
    Ny saina sy ny fo
    Miandry mitalaho
    Raha toa ka mety Ianao
    Na tsy mendrika aza aho
    Henoy izao faniriana izao
    Hihaona Aminao




Mba henoinao ry Ray
Izany fanirianay
Te hihaona eto izao
Hiankohoka hitsaoka Anao
Tompo ô! Miandrandra Anao izahay
Midera Anao ilay Mpanjakanay
(x2)

Midera Anao anio mandrakizay


(Interlude)


Mankalaza Anao ry Ray
Tonga eto aminay
He ny voninahitrao
Mameno izao rehetra izao
Tompo ô! Mitsaoka Anao izahay
Midera Anao ilay Mpanjakanay
(x2)

Tompo ô! Mitsaoka Anao izahay
Midera Anao ilay Mpanjakanay
Midera Anao ilay Mpanjakanay


·