FANIRIAKO

AFAS - Antsan'ny FinoanA Soavina

FANIRIAKO


1/ Faniriako ry Ray ô! Ny ho anilanao.
Ny ho isan’ny ondry izay tarihinao
ao an-dapanao.
Faniriako Jesosy ô! Itoeranao ny foko.
Ka ny làlan’izay itondranao ahy
no izorako.


2/ Na dia maro ny sakana;
Na ho lavitra ny làlana.
Tsy ho kivy aho Jesosy
Raha izay no tianao izorako.
Fa mba omeo hery aho;
Fo, Fanahy vaovao.
Ny Fahasoavanao Ray,
no tiako itafiana isan’andro.


Ref:
Ampianaro aho ry Tompo,
Ankatò sy hanompo.
Hahantanteraka tsara ilay Asa Tsara
Nomenao ho anjarako.


Vavaka: (amin’ny farany)



·