Faniriako

Feon'Kalvary

Faniriako


Ampianaro hahay mitia aho Jesosy
Ampianaro mba ho mora fo
Ampianaro ahy Tompo o ireo toetranao
Fa izay no iriko ho fiainako
Tiako raha amirampiratra isan’andro
Ny anaranao izay entiko
Mba ho voninahitrao anie ry Tompo
Ny andro sisa izay iainako


Ampianaro hanetry tena aho Jesosy
Ampianareo handefitra tokoa
Ampianaro ahy Tompo o ireo fiainanao
Fa izay no iriko ho fiainako


Tiako raha amirampiratra isan’andro
Ny anaranao izay entiko
Mba ho voninahitrao anie ry Tompo
Ny andro sisa izay iainako


Eo anilanao Jesosy no tiako
Ka haharitra eo tokoa tokoa
Mba ho vonona aho raha ho avy ianao Jesosy o
Hiaraka aminao mandrakizay


Tiako raha amirampiratra isan’andro
Ny anaranao izay entiko
Mba ho voninahitrao anie ry Tompo
Ny andro sisa izay iainako


Faniriako (A.C Andrianavalona Hobisoa)


·