Faneva faha-30 taona

Tanora Masina Itaosy

Faneva faha-30 taona


Fifaliana tokoa no andrasainay
Izao andro anio izao fa notahianao
Ravoravo ny fo fa mahatratra
Ny fankalazana


Feo midera no indro entiko
Hanolo-javatra atao fanatitra ho Anao
Ka hohefaiko avokoa izany voadiko teo Aminao
Tondro molotra sy fitsapana tsy hampakiviana maro
Fa ny vavaka sy fiderana no indro asandratray avo


Tompo o misaotra eh, nihazona anay
Telopolo taona izao ry Ray
Nantsoinao hoe Tanora Masina
Miasa ho anao tsy ho sasatra
Nefa tsarovy amin’irony lasa
Tao ireo sy nandatsa sy nandratra
Ny eso sy toy izao, ny mahazatra
Misy ny hikendry ny handrava
Nefa Jesosy o, Anao ny asa
Tano izahay tsy hihambahamba
Fa manana Anao


Andro farany izao iainanay izao
Miseho avokoa ireo tsy mpankato
Fa raha Ianao no mialoha anay
Handroso izahay


Feo midera no indro entiko
Hanolo-javatra atao fanatitra ho Anao
Ka hohefaiko avokoa izany voadiko teo Aminao
Tondro molotra sy fitsapana tsy hampakiviana maro
Fa ny vavaka sy fiderana no indro asandratray avo


Tompo o misaotra eh, nihazona anay …


·