Faneva faha 10 taona

KTLM Firaisankina Antsirabe

Faneva faha 10 taona


Fotoana maro nifandray, nifangaro,
Miara mihoby an’Andriamanitra
Firaisankina latsa-paka ao anaty
Io no mikolo ny fihavanana


Andao hihira fihiram-baovao,
Valiha tory folo no hiderana anao,
Veleso ny aponga, tendreo ny gitara
Hanakoako ho ren’ny gasikara,
Miara-miventso, mitory fanahy,
Ka ndao ry lahy raha hiaraka aminay,


Fa ny tsiahy nandalo niserana,
Tao ny hafaliana feno fitiavana,
Nisy alahelo nandratra ny fo,
Tsy nandravanay izay nampiray


Andao hihira fihiram-baovao,
Valiha tory folo no hiderana anao,
Veleso ny aponga, tendreo ny gitara
Hanakoako ho ren’ny gasikara,
Miara-miventso, mitory fanahy,
Ka ndao ry lahy raha hiaraka aminay,


Fotoana maro nifandray, nifangaro,
Miara mihoby an’Andriamanitra
Firaisankina latsa-paka ao anaty
Io no mikolo ny fiha…(rit)vanana……!


A/C : Président Miary
©ILAYNANTENAINY


·