Fanekena

Akon'ny Lanitra FLM Fihaonana Fort-Dauphin

Fanekena


Anio aho, hanolotra ny tenako ho anao,
Ho vavolombelonao aho amin’izay hatao ;
Na amin’ny fiteny, na amin’ny fitondra tena,
Raiso aho Jesosy ho anao. (x2)


Anio aho, hanolotra ny tenako ho anao,
Hanao fanekena amin’ny fanatrehanao ;
Tsy handeha irery, Ianao feno hery
No hitantana ny fiainako izao.


Fifaliana ho ahy ny hanaraka anao,
Omeo fo madio, omeo aina vao ;
Ho hirakirakao, hijoro ho fanasina
Tariho aho ho mendrika anao. (x2)


Manomboka anio, ny lalanao no lalako,
Ny tananao, no tanako,
Ny sandrinao mahery no hitantana ny fiainako ;
Hanoro izay hatao,
Tariho aho ho mendrika anao. (x 2)


Manomboka anio, ny lalanao no lalako,
Ny tananao no tanako,
Ny sandrinao mahery no hitantana ny fiainako ;
Hanoro izay hatao,
Tahio aho ho mendrika anao.


·