Fanekem-pinoana

AFA (Anjomara Famonjena Anosibe)

Fanekem-pinoana


He kotsandranomaso, malahelo aho ry Tompo
Nohon’ny hasomparan’ny tany, mahaketraka ahy
Toa donam-pahoriana tsy mba misy fifaliana
Fa mamotika ny aty fanahy, izany fiainana eto x2


Tsy izany anefa Raiko ô no hampiala ahy amiNao
Fa na ny aiko aza afoiko noho Ianao
Havaoziko eto anio Jesosy ô ny finoako Anao hatrizao
Izao no fanekem-pinoako tsy miova


Nilaozan’olontiana, mahatsiaro ho irery
Ka dia misento mangina mila toa ho very
Ireo izay mba nantenaina dia nandao vaka ny saina
Hoe nahoana no izao Ray ô no fiainana eto


Tsy izany anefa…….x2


·