FANEHOAM-PITIA
Ftvlm Ambohitrinibe
FANEHOAM-PITIA
1-Naneho fitia tsy nihambahamba
Ho avotra ho an’ireo malalanao
Fa tia loatra, na betsaka aza
Izahay nania dia tsy nafoinao
Ref: x2
Hisaoranay lehibe
Izany rehetra izany
Fa fanehoam-pitia
Na matory na mandeha
Tsy ho lefy am-ponay izany
Anio sy ho doria
2-Nombohina zanaky ny Ray
Famonjena nomena ho ahy sy ho anao
Hamelona ho mandrakizay
Ahatonga antsika olom-baovao
Ref: x2
3-Ity hira ity no hasandratro avo
Fisaorana ary fiderana
Fahasoavana sy fitia maro
Fitiavana tsy azo ferana
Ref: x2