FANDIHY HAFAKELY

Mihanta

FANDIHY HAFAKELY


Fomba fandihy tena hafakely
Dihy malefaka fitàna
Toy ny onja tsofin-drivotra madio
Dihy mitopatopa hatrany


      Indrindra rehefa an-tratranao aho

Izaho manaraka eny fotsiny
Tsara ka tsy maha te-hiala intsony hoy aho
 Rehefa atositosikao

Ireo masonao raha mikipy
Dia toy ny gadona milanto
Ireo molotrao maha te-hanorokoroka
Mandimandina fitia


    Sangisangy moramora         (Mandimandina fitia)

Adiady tsy mifandona   (Mandimandina fitia)
Tsongotsongon'olon-tiana (Mandimandina fitia)
Na marary aza iafiko  (Mandimandina fitia)

Ianao ilay mandimandina fitia
Ho ento aho hisidina any 
Izaho tsy lavitra fa eto ihany
Izay ilay FANDIHY HAFAKELY…
           (Mandimandina fitia)


·