Fanavotana

Feon'Kalvary

Fanavotana


Ilay toerako izay mendrika ho Ahy
Dia nafoiko ka nilaozako
Ka nidina aho mba hanavotra
Izay mendrika ho Ahy
Ny satro-tsilo izay natao tan-dohako
Ka nampilatsaka ny dinitro
Ny lefona izay nanatrobaka
Mba ho avotra ho anao


Aza avelanao ho takona ilay asam-panavotana natao
Ka sainotsaino ny tantarako, aza avelanao ho levona koa
Ilay ra nalatsako


Ilay ra nalatsako mba ho avotra ho anao
Nangirifiry sy narary ahy
Fa fahoriana no nanjo
Satria Izaho tianao
Ilay hazo fijaliana niharetako ny hahatonga anao ho zanako
Ka tsy hisaraka Amiko anio sy ho mandrakizay


Aza avelanao ho takona ilay asam-panavotana natao
Ka sainotsaino ny tantarako, aza avelanao ho levona koa x2
Zay nitondra soa


·