FANATITRA SAROBIDY

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

FANATITRA SAROBIDY


Fanatitra soa sarobidy
No atolory ny Tompo
Fa (mendrika azy izany) 2 fois
Fanatitra tsy misy tsiny amam-pondro
Omeo azy
Atolory (amin’ny fo madio) 2 fois


Fa tsara ny Tompontsika e !
Tena tsara izy e !
‘Lay Andriamanitra Mpamindra fo
Isaory Izy e ! isaory
Fa lehibe ny fiandrianany


Raha manana alahelo aminao
Ny rahalahinao
Mihavàna aloha aminy, mihavàna aminy
Vao manolotra fanatitra
Ho an’ny Tompo ianao
Fanatitra lavorary, tsisy pentina


Fa tsara ny Tompontsika e !
Tena tsara izy e !
‘Lay Andriamanitra Mpamindra fo
Isaory Izy e ! isaory
Fa lehibe ny fiandrianany


A/C: RANOELISON Nirina (Ni)


·