Fanasana
Tanora Masina Itaosy
Fanasana
Tompo oh! Injao, ilay feonao
Miantso ahy amin’ny fanasanao, Tompo oh
Nefa hatraiza moa ry Tompo ity fahavononako
Handray ny tenanao sy rànao (×2)
Tsapako tra-nenina aho ankehitriny Jesosy oh,
Nanenina ny vitako hatrizay ka izao vao tahak’izay
Hozahako anio ’lay dia-tongotrao
Mba ahitako ilay toerana hanasanao ahy
Roso izao ny diako, ka ny mba iriko
Tsy ho potraka ao an-dalana fa
Mba ho tody soa aman-tsara, tsy avilin-tsatana
Tsy ho diso anjara am-panasanao
Efa nentiko nodiovinao nytiko, ry Tompo
Kanefa mbola atolotro hoAnao’ty foko vaovao
Vonona aho izao hikambana aminao
Handray ny tena sy rànao amin’ny fanasanao (x2)
A/C : SDN