FANANTENAKO

Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha

FANANTENAKO


FANANTENAKO


He fantatro ry Tompo fa Ianao
No miantoka ny fiainako hatrizao
Ny fahazazako, fahatanorako
Feno ny hasoavanao


Ref : Fanantenako Jesosy o ! Ianao
Ilay tena tia ahy no sady tsy mandao
Fanantenako, tsy mba ho levona
Matoky aho manana Anao Jesosy o !


Fa kely aho dia efa nampianarinao
Fa tsy maintsy ho to ny teninao
Izay miankina Aminao
Raha toa maharitra
Handova lanitra


Ka izay rehetra momba ahy
Jesosy o ! indro apetrako Aminao
Ireo tanjona iriko
Ny hoaviko ampitso
Ankiniko Aminao


 A/C : R. Njohany

©Kanton’ny Fanantenana


·