Fanamby

AmbondronA

Fanamby


Mifoha indray izao
Amin?ity tontolo andro iray vaovao
Dia mivavaka ho vita indray izay kasaina atao


Safidy sa voatery ireo zaza sy lehibe mamonjy lera
Tsy kivy nefa isan-andro, na alina aza vao tafody an-trano


Mba tsy ho be ny ilaina, mihafihafy eny ihany


Be ireo zavatra ireny
Tsy hafa-manohatra anefa fa mitsinjo ny any ahoriana
Vitaina ny androany fa rakitra hipetraka hatrany
Izay no atao fanamby


Mody indray ny hariva, ny masoandro yeah
Reraka ny aina, tsy hita hitaraina
Fa mbola manan’hery, manan-tsaina


Hatory amin?izay, fa zara ary afaka manao izany
Dia mivavaka, mankasitraka ary hangataka


Torimaso mamy, vita ny androany


Be ireo zavatra ireny
Tsy hafa-manohatra anefa fa mitsinjo ny any ahoriana
Vitaina ny androany fa rakitra hipetraka hatrany
Izay no atao fanamby.


·