Fanahy mivatravatra

Feon'ny Fitiavana Ampary

Fanahy mivatravatra


fenoy ny fanahy masinao aho Jeso tia
ahaizako mamao izay rehetra sitrakao
toy ’lay narotsakao fony Hianao niala tety
ka nampahazo hery reo rehetra mino Anao


réf: toy izany koa no angatahiko
hitoetra sy anjaka
Ilay Fanahy mivatravatra
handrakotra tokoa
ny saina sy ny fo
ho feno ny aim-panahy
ho afak’ahiahy


kasionao Jesosy ô, ity foko kely ity
ahaizako mamela izay manisy ratsy ahy
hitiavako ny namako, hiantrako ireo mania
mba hamerenan’azy indray ho ao aminao Kiristy


réf : dia toy izany koa no angatahiko
hitoetra sy anjaka
Ilay Fanahy mivatravatra
handrakotra tokoa
ny saina sy ny fo
ho feno ny aim-panahy
ho afak’ahiahy


ampahiratonao ry Ray ô
ity masoko ity
mba ahitako tsara ilay fahamarinanao
tsy iherikerika amin’ny ankavanana,ankavia
f’hibanjina tanteraka
ilay rà nalatsakao


réf in-2:dia toy izany ….


·