Fanahy Masina
AFI Ambohidanerana
Fanahy Masina
Fanahy masina o !
Midina eto Ianao
Mangetaheta anao, fatratra aho izao
Fenoy tanteraka ny Amiko
Ny fo sy saina, tena sy fanahy
Fanahy Masina o!
Midina eto Ianao
Hitondra aim-baovao ireo olonao
Izay reraka sy toa kivy tokoa
Ampaherezo, ampitrakao ny loha
REF : Ry Fanahy Masina o, faingana re Ianao
Handrakotra ahy manontolo
Mba hamelona sy hikolokolo
Ry Fanahy Masina o, mpiahy ny Fiainako
Hamasino aho ry Fanahy
Tongasoa Ianao