Fanahy Masina

Fanasina Imerintsiatosika

Fanahy Masina


1- Olo-meloka tsy marina (Izahay)
Voagejan’ny fiainana ety (Mba vonjeo)
Fitaka sy ozona no mameno ny fo
Jesosy ô! Vonjeo fa mitalaho


Choeur :
Fanahy Masina ô! Midina ianao
Mitoera aty anatin’ny fonay izao
Ka hamasinonao, ny fo sy ny fanahy
Ka hanjakao ho tena lapanao tokoa


2- Tomponay Masina ô! Mamelà (Ny helokay)
Tsy madio ny fisainan’ny fo (Mba sasao)
Hazavao ka omeo hery ny fanahy
Diovinao ‘zahay mpanomponao


Choeur:
Fanahy Masina ô! Monena aminay
Havaozy mba ho tonga olom-baovao
Ka hamasinonao, ny toe-panahinay
Hanaovanay izay tena sitraky ny Ray


·