FANAHY MASINA

APAL EKAR BEMASOANDRO

FANAHY MASINA


Fanahy Masina ô! Tomoera anatinay mba hanavao,
Mba hanavao ny tenanay sy ny fanahinay ‘zay simban’ny ota,
Fanahy Masina ô midina! meteza Ianao hanamboatra anay,
Aza avelanao ho rava sy hirodana ny Tempolinao!


1- Jereo ‘zahay re fa jambena, haizina avokoa ‘zay jerena
Tsy hitanay intsony ny antoka mahatony ka mangataka aminao
Aposahy aminay anio ilay fahazavana Fanahy Masina ô!


2- Tarihonao re fa ndrao very, tantano f’aza avela irery,
Fa satria satàna tsy manam-pikasàna afa-tsy hanakivy anay,
Omeo anay ny hery hotafianay mandrakizay Fanahy Masina ô!


·