Fanahy Masina

AMPIZIFA

Fanahy Masina


Ny Fanahy Masinao no hameno ahy
Handreseko lay satana fahavaloko
Ny Fanahy Masinao hampianatra ahy
Hanoro ahy izay lala-marina


REF : Ka fenoy ny Fanahy Masinao ny foko
Hanjakao mba tsy hisy mipentipentina
Mamenoa ny fiainako Ianao Jesosy ô!

Mitoera amiko Fanahy Masina ô!


Marobe ny sedram-piainana ety
Indraindray mahakivy toa tsy tantiko
Hatanjaho Jesoa fa reraka am-panahy
Tantano sy tohano Fanahy ô!


REF: Ka fenoy ny Fanahy Masinao ny foko
Hanjakao mba tsy hisy mipentipentina
Mamenoa ny fiainako Ianao Jesosy ô!

Mitoera amiko Fanahy Masina ô!


REF: Ka fenoy ny Fanahy Masinao ny foko
Hanjakao mba tsy hisy mipentipentina
Mamenoa ny fiainako Ianao Jesosy ô!

Mitoera amiko Fanahy Masina ô!


Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe - AMPIZIFA


·