Fanahy mahery

KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena

Fanahy mahery


Moa ianao tanora mahatsiaro tena
Mahatsapa fa te handroso koa
Moa ianao tanora mahatsiaro tena
Mahatsapa fa te hampandroso koa
Zay rehetra tsy ho vitan’ny hery
Ary koa sahanin’ny vola
Mbola ao ny herin’ny fanahy
Mahatonga ahy olona ho sahy


Faharipo ary no ilaina, fanetretena ihany koa
Faminanina ankamatatra arahin’ny teny mbola tsy fantatra


Fa ianao ry fanahy masina o
Mirotsaha be dia be tokoa
Toy izay niainanay taloha
Ankehitriny mbola hampifoha
Atoroy reo tsy mahalala
Sy tariho fa zanaka malala
Aiza ianao ry Fanahy Mahery
Indreto izahay miandradra mijery


·