FANAHIN’NY FANDRESENA

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

FANAHIN’NY FANDRESENA


Tsy fanahy osa sy resy no noraisin-tsika
Fa Fanahin’ny Fandresena sy Fitiavana
Dia io ‘lay Fanahy mampahery no sady mampita
Handresy sy handrava tafiotra


Ny fandresen’izay enti-mandresy izao tontolo izao
Dia ny finoantsika (2)
Aza malaina mamaky ny tenin’i Jesoa
Fa Izy, Izy afaka hampitombo ny finoanao


Nateraka mba ho mpandresy izaho sy ianao
Hitondra ny Anaran’ny Tompo isan’andro (2)
Ka tsy mba hamitra-pihavanana amin’I Satana
Handresy sy handrava ny asany


Ny fandresen’izay enti-mandresy izao tontolo izao
Dia ny finoantsika (2)
Aza malaina mamaky ny tenin’i Jesoa
Fa Izy, Izy afaka hampitombo ny finoanao


Ry Jeso zay lohan’ny Mpiandry sy Tompon’ny hery
Ataovy mpandresy miarak’Aminao izahay
Tsy ho fanalana baraka ny Anaranao
Fa hiasa ho voninahitrao


Ny fandresen’izay enti-mandresy izao tontolo izao
Dia ny finoantsika (2)
Aza malaina mamaky ny tenin’i Jesoa
Fa Izy, Izy afaka hampitombo ny finoanao


·