Famonjena

Tanora Masina Itaosy

Famonjena


Fiverenana :
Injao ny feony fa mandona
Miantsoantso ireo izay mbola mania
Ka miverena sao hanenenao
Fa Izy hanolotra ny fo vaovao


Ho famonjena ny fanahinao
Ho famonjena ny fanahinao
No nahatongavany ho anao tety
No nahatongavany ho anao tety
Nefa mba aiza moa? Sa hanamafy fo?
Hifikitra amin’ireo fanao taloha


Fiverenana : Injao ny feony fa mandona …


“satria raha manaiky an’i Jesoa ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena.” — Romana 10 : 9 - 10


Ho famonjena ny fanahinao
Ho famonjena ny fanahinao
No nahatongavany ho anao tety
Koa mitsangàna ianao izao anio izao
Fa mbola miandry ao ny anjaranao


Fiverenana : Injao ny Feony fa mandona … (x2)


·