Faly aho

Tanora Masina Itaosy

Faly aho


Ao anatin’ny onjam-piainana no asehanao
Fa Ianao miady ho anay zanakao
Ianao Jesosy no niantso ka nampahery
Na tsy mendrika aza aho izay nofinidinao
Fa ny tànanao no nihazona ahy mba tsy ho very
Tsy hanadino fa ny làlanao mahasambatra


Ankehitriny dia mifaly aho, faly aho Tompo o
Taona maro izay no nanambinanao
Nampandresy Ianao na dia tsy mora aza ny alon-drano
Ny adin-tsaina hirifiry izay, niaretana
(Ny asa) Fa ny asano, dia tena fiainana fa tsy angano
Anovozam-pahendrena sy fitiavana


Mino izahay fa tsy hangahiahy
Rehefa rahatrizay, fa Ianao mandray
Nampandresy Ianao na dia tsy mora aza ny alon-drano
Ny adin-tsaina hirifiry izay niaretana
(Ny asa) Fa ny asanao, dia tena fiainana fa tsy angano
Anovozam-pahendrena sy fitiavana
Anovozam-pahendrena sy fitiavana


·