FALY AHO

Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro

FALY AHO


Faly aho tena faly aho, faly fa manana Anao
Ry Jesoa zoky be fitia, toky sy tanjako ety
Na dia sarotra aza ny dia, mbola hifalifaly satria
Andriamanitra Ray Tsitoha, mampahery tokoa


REF:
Tompo ô! ’ty ny tànako, ka soraty ny anarako
Fa Ianao no anjarako, làlanao re no làlako
Tsy mba misy izay iriko fa Ianao no nofidiko
Ny foko hiara-mitempo Aminao ry Tompo


Ravoravo koa ny fanahy, manana Anao mpanavotra ahy
Ka na dia efa trotraka, tsy navelanao potraka
Resy aho fa natsanganao, ka nomenao hery vaovao
Faly aho tena faly aho, fa manana Anao


REF:
Tompo ô! ’ty ny tanako, ka soraty ny anarako
Fa Ianao no anjarako, làlanao re no làlako
Tsy mba misy izay iriko fa Ianao no nofidiko
Ny foko hiara-mitempo Aminao ry Tompo


(Tonalité D)
A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO


·