Faly aho

Rebika

Faly aho


Faly aho, satria tena tia anao
Ankehitriny koa dia lavitry ny fijaliana
Faly aho, rahavako satria ny fitiavako
Ho anao mandrakizay Doria


Ianao no masoandrom-piainako
Ianao irery no hiantako sy hitarainako
Ianao anie no hiakinana sy hianteherana
Amin’ny ho aviko sy fiainako rehetra


Ianao no fanilo, hanazava sy hitsilo
Ny lalana ho diavina, fa hamakivaky fiainana
Izaho sy ianao, ianao sy izaho
Izaho sy ianao mifampitantana


Izaho sy ianao, ianao sy izaho
Izaho sy ianao mifampitantana


Miroborobo ny antsika roa
Fitia lamban’akoho, faty no hisarahana


·