FALY AHO

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

FALY AHO


Endrey ity fitiavan-dehibe Jeso
Atolotrao ho famonjena ahy tokoa
Ny ranao nalatsakao ho fanavotana ahy
Hanavotra ny fiainako
Faly aho afaka tokoa ny gadrako (gadrako)


Tsy hainay tantaraina ry Jeso, Jeso
‘Reo fahasoavana efa azonay
Omenao ny olona izay manaraka
Manaraka ny dianao (dianao)
Faly aho voavonjy ireo sakaizako


Misaotra Anao tokoa ‘zahay ry Tompo tia
Fa henika ny hasoavanao ‘zahay
Tsy mifidy Ianao na iza na iza koa
Fa tianao tsisy ho very izy (ho very)
Faly aho voavonjy ireo namako (namako)


Jesosy Tompo tia no miantso anao izao
Koa manatona azy izao anio izao
Ho afaka tokoa ireo gadranao izay namatotra hatrizay (hatrizay)
Manatona f’Izy efa niandry ela anao (miandry anao)


·