FALIFALY AHO

Groupe NAINA

FALIFALY AHO


Falifaly aho miaraka Aminao e !
Ravoravo aho fa eo anilanao e!


Raha tojo fitahiana, fenofeno fifaliana
Tsikitsiky lalandava izahay
Tsy horeraka ny saina, fa nahazo izay ilaina
Miramirana ny fo sy ny fanahy


Fiderana sesilany, hirahira tena mamy
No atolotray Anao ry Tomponay
Satrinay ny hankalaza, ny Anaranao malaza
Omaly sy anio mandrakizay


Hizarako ny hafaliako ianao e!
‘Lay Jesosy no ao anatiko ao e!
Ny fiainako novany ho vao e ie ieh!
Zava-drehetra hainy atao e!


·