FALIFALY
RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY
FALIFALY
Faly miarahaba anareo izahay
Tafahoana soa amantsara eto indray
Miramirana tokoa, ravoravo ery ny fo
Notahian’ilay Tomposoa
REF:
Andro malaza sady soa
Andro miavaka tokoa
Andro handraisam-pamonjena
Tena andro volamena
Falifaly izahay mahita anao
Tena miramiran-tava toy izao
Sambatsambatra tokoa, fa nandray an’i Jesoa
Tao anaty Fanahy sy fo?
REF:
Andro malaza sady soa
Andro miavaka tokoa
Andro handraisam-pamonjena
Tena andro volamena
(Tonalité C)
A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO