falifaly

Groupe NAINA

falifaly


Tsy mba hoadinoko
‘Lay teny mamy nataonao, Mpamonjiko
Tena tadidiko
Fa manan-danja anatiko ao, isaorako


Falifaly aho, ravoravo aho
Raha nandre ny teninao
Milaza hoe: sakaizako ianao


Tsy mba nataonao hoe:
Mpanompo intsony izahay, Jesoa Kristy
Fa nanambaranao
‘Zay rehetra renao tamin-dRay, Haleloia


Endrey ny fitiavana nasehonao ahy ry Ray
Nantsoinao hoe zanak’Andriamanitra izahay
Faly aho, Haleloia
Mankasitraka mandrakizay
Misaotra Anao, misaotra Anao
Faly aho fa zanakao e!
Sady sakaizanao e!
Mahatsiaro sambatra aho e!
Fa manana anao e!


·