Fakam-panahy

KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena

Fakam-panahy


Ny olona rehetra miaina ety antany
tsy maintsy misedra fakampanahy
na inona karazantoerana misy anao dia tadidio
ady no tsy maintsy hatrehinao


Raha mahatoky ny teniny ianao
Ka mitandrina ireo fitsipiny
Izy iaro ny tongotrao tsy ho solafaka
Amin’ireo fakam-panahy


Ny fitsapana izay miseho aminao
Dia fanavaozana anao
Hiorina amin’ny fanopoana fa tsy hivily lalana
Mandrapiavy ny andro farany


Hoy Jesosy miteny aminao
Efa noreseko avokoa ireo
Ka raha mino ianao dia ho hitanao
Ny voninahitro


·