Faingàna ajoroy ny faneva 0020

BOKIN-KIRA FIDERANA

Faingàna ajoroy ny faneva 0020


1 Faingana, ajoroy ny faneva
Ry tanoran’i Jerosalema
Faingana areheto ny jiro
Hanazava ny làla-mankao.


Fiv Faingana, Faingana
Faingana, ry namako ô!
Andao e! Andao e!
Hanatona ny Tompo soa.


2 Ny dimy dia adala satria re
Tsy nanomana solika soa,
Nony tonga ilay fampakarana
Dia voahidy ny lala-mankao


3 Ny dimy dia hendry satria re
Efa nanomana solika soa
Tanteraka sy lavorary
Izay rehetra kasainy hatao.


·