FAHEFANA

RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY

FAHEFANA



  1. Andriamanitra Tompo tsitoha, no isaoranay eto eram-po
    Fa fitiavana lehibe tokoa, ary miampy ny famindram-po
    Na dia maro aza ny ota efa vita sy ny ratsy nataontsika
    Efa novidianay tamin’ny ràny, nofafany


REF: Fa Jesôsy Tompo efa nandresy, ‘reo devoly ratsy sy fetsy
Teo ambonin’ny hazo fijaliana, sady tsy novidiana
Mandehana torio maneran-tany, fa fitiavana tsy mba lany
Ary fiainana soa mandrakizay, mandrakizay



  1. Na dia misy aza fahavalo maro, te handavo sy mampimalo
    Miaraka amin’ilay Jesoa Mpandresy, dia manoatra noho ny mpandresy
    Ka hitsakitsaho sy hoseho, ireo devoly efa resy ireo
    Efa nomena anao ny fahefana, FAHEFANA


REF: Fa Jesôsy Tompo efa nandresy, ‘reo devoly ratsy sy fetsy
Teo ambonin’ny hazo fijaliana, sady tsy novidiana
Mandehana torio maneran-tany, fa fitiavana tsy mba lany
Ary fiainana soa mandrakizay, mandrakizay


A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO


·