Fahazazana

Mahaleo

Fahazazana


Veloma (2) ry fahazazana
Veloma (2) rehefa tsy tamana.
Veloma f’izaho tsy afaka hitana
Veloma(2) ndeha ka faingana


Avelao aho hamoy fo mangina
Eto akaikinao, akaikinao ry tiana
Torimaso, sakafo sy lalao
No niarahako taminao.


Arahaba e ry fahatanorana
Arahaba e ry fahalalana
Arahaba e ry fahadalana
Tsy ary voatanisa sarotra isaina


Nigoka, nifoka ary koa nijangajanga
Ny ota rehetra indro nitranga
Kilalao hafa kely no natao
Niova tantely isan’andro izao.


Dia veloma e, ry fahazazana
Veloma (2) rehefa tsy tamana.
Veloma f’izaho tsy afaka hitana
Veloma(2) ndeha ka fainganana


Nananontanona ary ny fahanterana
Miandry any am-pasana ilay toerana
Mitomany indray ny fahazazana
Ny fahafatesana nefa tsy azo ialana.


Dia veloma e, ry fahazazana
Veloma (2) fa efa tsy tamana.
Veloma f’izaho tsy afaka hitana
Veloma(2) ndeha ka fainganana


·