Fahazavana ianao

Groupe NAINA

Fahazavana ianao


Aoka handroso hatrany ianao
Amin’ny asa sy ny finoana
Jesosy Tompo no herinao
Ka isan’andro, Izy antsoina
Aoka hijoro hatrany ianao
Amin’ny andro hatanorana
Ampireheto ny jironao
Ho tena fanilo fahazavana


Aoka ho fantatrao
Fa ianao no fahazavan’izao
Tontolo izao


Fahazavana ianao,
Fahazavana ianao,
Fahazavan’izao tontolo izao


Aoka handresy hatrany ianao
Ety an-tany feno haratsiana
Fenoy fiderana ny andronao
Fenoy fihobiana fenoy fifaliana


·