Fahatsiarovana

Johasina

Fahatsiarovana


Mijery ny finday sao misy mandefa hafatra
Manantena ahy hoe izy mba hahatsiaro ahy
Efa impiry moa no saika hiantso ooo
Kanefa sao dia lazainy hoe tsisy hazon-damosina


Ref :
Sento, nofy, no atolotra,
An’ilay fahatsiarovana
Ilay feo, ilay endrika, ny fitsikinao,
No miodina ato an-dohako ato


Fa rahoviana indray vao hifanao fotoana
Ataovy maika fa izaho efa noana
Hifampitantana hifampizara ireo tantara
Tongava ety fa izaho dia misy ambara
Tandremo ianao sao tara


Ref :
Sento, nofy, no atolotra,
An’ilay fahatsiarovana
Ilay feo, ilay endrika, ny fitsikinao,
No miodina ato an-dohako ato


Ka hiandry eto aho, na rampitso na zao dia zao
Hamelona ilay fitiavana izay nafana tamintsika x2


Ka hiandry eto aho, na rampitso na zao dia zao X4


Sento, nofy, no atolotra,
An’ilay fahatsiarovana


·