Fahasoavanao

Joseph d'Af

Fahasoavanao


Izaho no iza izao?
Mihoatra ny amin’ny fahalebiazanao
Izaho ilay tsy mendrika anao.


Ny androko sisa izao
Sy izay hiarahako aminao
Dia mbola famindram-ponao.


Ref:
Fa raha izaho no toy izao e!
Dia tsisy avy amiko, fa avy aminao e!


‘Zaho ilay tsinontsinona
Ilay tao an-davaky ny liona
Efa natsanganao ho zanakao.


…..


Hiraiko ny fahasoavanao
Dia mbola ny famindram-ponao
Teo koa ny fanontronanao.


Iza no toa anao
Fa tsisy azo hoarina aminao
Miaiky ny fahalebiazanao.


Ref:
Fa raha izaho no toy izao e!
Dia tsisy avy amiko, fa avy aminao e!


‘Zaho ilay tsinontsinona
Ilay tao an-davaky ny liona
Efa natsanganao ho zanakao.


Mamohono ahy ny fahasoavanao
Mameno ahy ny fitiavanao
Mameno ahy ny famindraham-ponao
Manaraka ahy ny fanontronanao!


Ref:….. (X2)


Efa natsanganao… ho zanakao.


·