Fahanterana

Lolo sy ny tariny

Fahanterana


Tsarovy moa, ny fiainanao taloha,
Ianao tsy leo mirenireny
Mamindro irery, ilay hafanana
Mandany ny hatanorana


Tsy misy ny, hoe, tena ilaina
Na zavatra mamaky saina,
Ianao ny atoandro
Variana mitanin’andro
Miandry ny taona handalo


Tsarovy koa, ireo nitia anao taloha,
Lalovanao no vetivety,
Fa izirep raha vao ilaozanao
Ny fiainany no toa tsy mety


Ianao kanefa, tsy miraharaha izany
Nanohy ny lalanao ihany,
Fa nihevitra, ho nanana fotoana
Hoe mbola hisy hitia ahy foana


Ankehitriny raha mibanjina
Mitazana fitaratra,
Dia ho hitanao, fa fahanterana
No tena hita taratra


Androany izao, hanenjika masoandro
Noheverinao ho tena vady,
Izy kanefa ny ampitso maraina
Efa ao aorinanao sahady


Manjary toa, tsy mety mandeha mora
Ny volana, ny andro sy ora,
Ianao manjary, mivavaka foana
Mba hoe tsy hivadika ny taona.


Ankehitriny raha mibanjina
Mitazana fitaratra,
Dia hitanao, fa fahanterana
No tena hita taratra


Fa resy ianao, voatery hasitrika
Miaraka amin’ilay masoandro,
Ianao no very, tsy hipoitra intsony
Fa izy mbola hanazava atoandro


Ny zanakao manjary toa anao,
Toa, mirenireny foana,
Mamindro irery, ilay hafanana
Mandany ny hatanorana


Indrisy anefa refa mibanjina
Mitazana fitaratra,
Dia ho hitany eo fa fahanterana
No tena hita taratra


·