Fahaiza-mitia

ART L

Fahaiza-mitia


Iza no tsy faly fa hoe tiana ?
Ny tia aza mamikitra tsy azo ialana
Isika tsy manahy satria mino
Fa fitia vao miandoha
Dia maharevo tokoa
Nefa mety handrotika fo … ka


Tonga dia mandrobon’ avy hatrany
Tsisy misakan’izay tiany hatao
Tandremo ny mivadi-panekena
Sao toky no atao
Antendrombohitra ihany
Ka tody no tsy ho tanty


Mahaiza mitia rehefa babo ny olonti -ana
Hajao ny olon-tia rehefa izy no fifali-ana
Hadalana raha toa
Ka hadisoana tsy nahy
No ifandaozana
Tsy an-tsitra-po


·