Fahafatesana mamiko loatra

Ny Feo Mamatonalina

Fahafatesana mamiko loatra


Fahafatesana mamiko loatra
Fahalevonako nefa mamboatra.
Fahafatesan’i Jesosy soa
io no batisa ka tiako tokoa.


Sendra ny ady mangotraka indrindra
Nefa faneva no enti-mamindra.
Mpitari-tafika tena mahay
Sady mpandresy koa Jesosy izay.


Ny jalijaliko nefa zakainy
Enta-mavesatro nefa sonainy.
Ny ranomasoko fafany ery
Sady ny rofy nalany tery.


Isan’andininy :
Indro fitiavana mandrakizay.
Mamelon-toky manomba sy hery
Nentin’ny Tompo namonjy ity very
Zary malala mpandova ny Ray


·