Fa tsara ny mihira
Riampeon' Ny Maritiora
Fa tsara ny mihira
He, isaoranay Ianao Mpahary anay !
Ny hasoavanao maneho fitahiana.
Ny voninahitrao haharitra mandrakizay !
Izahay hankalaza anaty fifaliana.
Ho toy ny rian-drano izay miboika ao am-po,
tsy mitsahatra miantsa, mihoby Ny Tsitoha.
Mitory feon’ny indrafo sy mahafinaritra
FA TSARA NY MIHIRA ho an’Andriamanitra !
Ny zavatra kasaina na aiza na inona atao,
Ezahana hirindra lavorary avokoa
Satria hatokana hiderana Ny Anaranao,
ho mendrika indrindra Anao, Anao, Ry Tompo Soa !
Ho toy ny rian-drano izay miboika ao am-po,
tsy mitsahatra miantsa, mihoby Ny Tsitoha.
Mitory feon’ny indrafo sy mahafinaritra
FA TSARA NY MIHIRA ho an’Andriamanitra !
Ny fitiavanao mba tsy hiala aminay,
Hanazava hatrany ny làlana hombana.
Ka ho toky koa sy ho andry mafy iray,
Aro mafy tsy hikoha amin’ny fahotana.
Ho toy ny rian-drano izay miboika ao am-po,
tsy mitsahatra miantsa, mihoby Ny Tsitoha.
Mitory feon’ny indrafo sy mahafinaritra
FA TSARA NY MIHIRA ho an’Andriamanitra !