Fa Tsara Ny Mihira

Tarika Vonjy

Fa Tsara Ny Mihira


Ref: Fa tsara ny mihira
Ho an’Andriamanitsika
Fa mamy sy mendrika Azy ny fiderana (Ny fiderana)
Azy avokoa ny hery sy fahefana
Izy ilay fiandohana sy fiafarana


Fa tsara ny mihira
Ho an’Andriamanitsika
Fa mamy sy mendrika Azy ny fiderana
Ampinga azo antoka indrindra
Satria vatolampy tsy mba mifindra


Vavy: Midera Azy ny kintana rehetra
Ny lanitra, masoandro sy volana


Lahy: Midera Azy ny olona rehetra
Ny biby ao an’ala, voromanidina


Tsy takatry ny saina ny Fahefany
Fa mahagaga ny asan-tanany
Amin’ny fahoriana Izy mampitraka
Satria Mpanjakan’ny Mpanjaka


Ref: Fa tsara ny mihira…


·