FA TSARA INDRINDRA IANAO

Anjomaran'ny Fitiavana

FA TSARA INDRINDRA IANAO


Ry Jesoa ooo, henoy ny vavakay
Miantso Anao, ary koa mitalaho re
Jereo amin’ny fitiavanao
Tafio ilay fanahy mahery avy Aminao


Fiv: Asandratray ho Anao, dera laza izao
Ry Jesoa Kristy Tompo
Fa tsara indrindra Ianao no miaro ny olonao
Miahy izao rehetra izao


Tario lalana izahay ry Jesoa
Vimbino ho ao Aminao
Ampianaro hankatò Anao
Ka mba hahery ao Aminao
Tantàno koa izahay ry Jesoa
Hahay hanara-dia Anao
Tafio fanahy mahery tsy ho lavo
Mpandresy hatrany ao Aminao


Fiv: ….


Havaozy hatrany izahay ry Jesoa
Mba hihavao ao Aminao
Tolory fo madio mendrika Anao
Hitoetra hatrany ao Aminao
Arovy koa izahay ry Jesoa
Fenoy ny fahasoavanao
Tolory fahendrena anikoa
Mpandresy hatrany ao Aminao


Bass: Fa tsara anie midera an’i Jesoa
Fa tsara anie mitsaoka Azy koa
Fa Izy anie no Tompon’ny Tompo
Ny laza asandra(tra) asaandratra re


Fa tsara anie midera Azy
Handao isika hitsaoka sy hankalaza koa
Jesoa anie, ’lay mpamonjy
Mpanjakan’ ny mpanjaka he Hosana


Tonony sy feony : RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
By Rhado


·