FA TSARA IANAO
None
FA TSARA IANAO
Moa ve mba tsapanao
Ny fahasoavana omeny anao
Tsy tambo isaina, sy ho tantaraina
Tsy takatry ny sainao
Ny fomba itondrany anao
Mahavariana mahasondriana
Fa safidiny ny tsy hahavery anao satria zanany ianao (Safidy, ianao, zanany ianao)
Atolory Azy ny fonao, hidirany( ou! ou! hidirany)
Saotra no atolotray, ho Anao ry Ray
Derainay foana foana fa mpanjakanay
Mendrika ankalazaina, FA TSARA IANAO
Manerana izao tontolo izao, ny Voninahitrao
Indro omeny Anao
Ny fiainana vaovao
Any an-danitra , mahafinaritra
Ka miomana re
handray ny avy aminy
Ry namako ô, ry havako aby e
Koa maneke Azy ianao (Ekeo Izy, amin’ny fonao)
Amin’ny fonao
Fa miandry ao ambadika ao ny anjaranao (ou,ou, ny anjaranao)
Saotra no atolotray, ho Anao ry Ray
Derainay foana foana fa mpanjakanay
Mendrika ankalazaina, FA TSARA IANAO
Manerana izao tontolo izao, ny Voninahitrao
Bridge: X2
Ny molotray Jesô hideranay Anao
Ny antsoantsonay hoe FA TSARA IANAO
Saotra no atolotray, ho Anao ry Ray
Derainay foana foana fa mpanjakanay
Mendrika ankalazaina, FA TSARA IANAO
Manerana izao tontolo izao, ny Voninahitrao
ASAFA 2019
A/C Berova